FINDAY INFINIX: EFA MIPARITAKA ENY AN-TSENA

 Sary sy soratra : Andry Rakotonirainy
Nampahafantarina teny amin’ny kHotel Ibis, Ankorondrano, afakomaly, ny finday vaovao mitondra ny marika Infinix. Vokatra izay novokarin’ny Transsion Holding, niforona ny taona 2012.
efa miparitaka amin’ny tsena anatiny, eto an-drenivohitra izy ity, nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana Septambra. 
Anisan’ny miara-miasa akaiky amin’ny fanaparitahana ny vokatra ny orinasa Orange eto Madagasikara.
Misy karazany efatra ny INFINIX: Smart 2, Smart 2 Pro, Hot 6 Pro, ary ny Note 5.