MANDOTO: BASY KALACHNIKOV SY MAS 36 ROA AZON’NY ZANDARIN’I MANDOTO ANTSIRABE

Andry Rakotonirainy
Saron’ny zandary avy ao amin’ny Brigade Ambohimanambola, Compagnie Mandoto Groupement Vakinankaratra ny Zoma 05 Aprily 2019 teo ny andian-jiolahy mpanao sakan-dalana. Nohon’ny fiaraha-miasa tamin’ny fokonolona avy ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Andrembesoa, Distrika Mandoto, Faritra Vakinankaratra, nandritra ny fisafoam-paritra ankapobeny izay asa fanaon’ny Brigade, dia sarona tamin’ny alalan’ny vela-pandrika ireo dahalo dimy lahy mirongo basy vita tanana miisa roa, fanafody gasy mohara, izay fampiasan’izy ireo manao ny asa fandrobana sy fanakanan-dalana amin’iny lalam-pirenena faha 34 mampitohy an-Antsirabe Miandrivazo iny. Niaiky ny helony ireto jiolahy ireto rehefa natao ny fanadihadiana ary hatolotra ny fitsarana ny raharaha.
Sarona nandritra ny fisafoana ihany koa moa ny basy mahery vaika miisa telo: KALACHNIKOV iray ary MAS 36 roa. Ireo fitaovam-piadiana ireo, izay marihina fa nokikisana ny marika famantarana azy dia sarona tao an-tranon’olontsotra ao anatin’io kaominina io ihany. Noho ny fanangonam-baovao, nahafahana nanaovana fisavana dia izao tra-tehaka izao.
Noho ny ezaka ataon’ny zandarimaria ao Vakinankaratra dia tsapa fa mihena indray ny isan’ny dahalo mampitondra faisana ny faritra. Mihena  koa ny fitaovana eny ampelatanan’izy ireo.
Ny zandarimaria dia maneho fisaorana hatrany ny vahoaka amin’ny fanomezam-baovao hahafahana mamongotra ny mpanao ratsy ary manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.