NOPOROFON’NY MPANOLOTSAIN’NY PRAMINISITRA FA NISY VOLA VERY TAO AN TRANONY

Soratra : Rakotonirainy Andry

Nanao fanambarana teny aminy hotely Le Pave ny 08 Mey teo ny Vondron’ny mpanolotsain’ny Praminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier. Teboka efatra no nambaran’izy ireo manoloana ny raharaharam- pirenena. Firenena mandala ny fenitra Demokratika i Madagasikara, samy manana ny anjara andraikiny ny rafitra misy  eto amin’ny firenena. Anisan’izany ny Fitsarana Avo momban’ny Lalampanorenana (HCC), tsy maintsy hajaina ny fanapahan-kevitra avoakany. Mahakasika ny zava- nitranga ny 21 Aprily 2018, nitatitra ny mpanolotsain’ny Praminisitra fa voalohany niantso ny fitoniana sy ny fifampidinihana Atoa Mahafaly Solonandrasana Olivier. Momba ny vola very tao an- tranon’ny Praiminisitra, nilaza ny mpanolotsaina ny James Ramarosaona fa efa nisy fanadihadiana ataon’ny zandary sy ny fitsarana mikasika izany.