CRM: NANKALAZA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY MPANAO ASA SOA

Soratra : Rakotonirainy Andry

Sary: Jayah

Notanterahana teny amin’ny foiben’ny Croix Rouge Malagasy ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny mpanao asa soa eo anivon’ny tsirairay, omaly.

13M_4112Ankoatra ny lahateny samihafa, naranty ho fantatry ny mpitsidika ny tena andraikitra sahanin’ny Croix Rouge. Miara-miasa akaiky amin’izy ireo ny mpilatsaka antsitram-po, miisa 14000 manerana ny Nosy. Miasa amin’ny fandaharan’asan’ny pesta ny 300 mianadahy, Misy sokajin’asa maro ataon’ny Croix Rouge.

13M_4172Miisa 3000 ny mpikambana ao amin’ny Croix Rouge, voasokajy ho mpilatsaka antsitram-po ka mandoa latsa-kemboka. Misy koa ireo NY eo anivon’ny fitantanana izay karamaina arakarakin’ny fahaizany.

13M_4183Notsipihan’ny filohan’ny Croix Rouge Malagasy Claude Rakotodranja fa ny olana ara-bola teo amin’ny Croix Rouge Norvegiana dia teo anivon’ny fitantanana fa tsy ny Croix Rouge rehetra.

13M_4211Misy hatrany ny asa iantsoroan’ny mpikambana mandritra ny taona. Ny andron’ny 08 may dia natokana ho fanomezam-boninahitra azy ireo sy fisaorana ny asa vita.

Ny Croix Rouge Malagasy rahateo dia voasokajy ho mpiara-miombon’antoka amin’ny fanjakana ka mitondra ny Ankara birikiny eo anivon’ny sehatra samihafa.