ASARAMANITRA 2020: NIARAHABA NY FILOHAM-PIRENENA MIVADY NY LEHIBEN’NY ANDRIMPANJAKANA

81532555_2535500200055770_840504041602547712_n
Fifaliana ho azy mivady, ny nandray ny fanomezana avy amin’ny mpamangy.

Notanterahina androany, teny amin’ny lapa-panjakana Iavoloha ny fiarahaban’ny lehiben’ny Andrimpanjakana misy eto amin’ny firenena, ny Filoham-pirenena mivady Rajoelina Andry sy Mialy. Anisan’ny teny an-toerana ny lehiben’ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, ny lehiben’ny Antenimeram-pirenena, ny lehiben’ny governemanta.  Ankoatra ny teny firariantsoa, nisy ny fanolorana fanomezana ho an’ny raimandreny avy amin’ny mpamangy.