FARITRA ITASY: ZANA-KAZO MIISA 3500 VOAVOLY TAO SOAMAHAMANINA

 Andry Rakotonirainy

Nanatanteraka fambolen-kazo lehibe, androany, ny Faritra Itasy. Nitarika izany ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy, Raharinirina Baomiavotse Vahinala sy ny  Tale Jeneraly ny teikasa fiadidian’ny filoham-pirenena, Andriamananoro Augustin. Nanotrona azy ireo, tamin’izany kosa ny  solombavabahoaka Fhy Razaiarimalala sy Zoky Andry.

Zana-kazo miisa 3500 no voavoly, tao amin’ny fokontanin’i Mandrosoa, kaominina Soamahamanina, distrikan’Arivonimamo, androany.

Nandritra ny fotoana, nanentana ny mponina mba hiaro hatrany ny ala tapia sy hazo mampiavaka ny faritra Itasy rahateo ny ONG Developpement Environnement et Formation Intégrée na ny DEFI,  notarihan’ny filohany,  Andriamananoro Volanirina. Ity fikambanana ity izay nametraka fanamby, fa hamboly Hazo miisa 100000 fototra amin’ity taona ity, ho fandraisana anjara amin’ny famerenana an’i Madagasikara ho nosy maintso indray. 

 “ Mamboly hazo aho ho an’ny taranako, Madagasikara rakotra ala no tanjona”, izay no teny filamatra nitondrana ny hetsika, tao Soamahamaninana, androany.