FIFIDIANANA 2018: MIZOTRA AM-PILAMINANA, MARO NY LESOKA

Mizotra amim-pilaminana ny fifidianana ho filoham-pirenena eto Madagasikara, ankehitriny. Maro ny olona tonga mandatsa-bato. Mialoha ny ora fisokafan’ny birao fandatsaham-bato, maro ireo efa nilahatra mba hanefa ny adidiny, indrindra ny any ambanivohitra.

Na teo aza anefa izany, maro ny lesoka tamin’ny fikarakarana. Indrindra manodidina ny lafiny teknika. Betsaka ny mpifidy tsy tafiditra anaty lisitra hany ka tsy afaka nandatsa-bato.

Anisan’ny tranga, niseho teto an-drenivohitra sy distrika vitsivitsy dia nisy ny andian’olona manao fanadihadiana izay olona avy nifidy.  Tsy fanaraha-dalana anefa izany, tsy nisy rahateo ny fanomezana alalana avy amin’ny Vaomiera manokana Misahana ny fifidianana nahafahana manao izany. 

Marihina fa misy ihany koa ny fitandroana manokana ny filaminam-bahoaka ataon’ny mpitandro filaminana, indrindra amin’ny birao fandatsaham-bato sy ny fiarovana ny voka-pifidianana.

Hita mifanaretsaka amin’ny faritra maro koa ny mpanara-maso ny fifidianana avy eto an-toerana sy ny vondrona iraisam-pirenena toy ny SADC, ny Vondrona Eropeanina, ry zareo amerikanina.