FINOANA KATOLIKA: MANAMAFY NY FINOAN’NY MPINO ETO MADAGASIKARA NY RAY MASINA FRANSOA

Efa eto MADAGASIKARA hatramin’ny omaly hariva ny Ray Masina, Fransoa. Lehiben’ny finoana katolika maneran-tany sady filoham-panjakana ao Vatican.

Nitsena azy teny am-pahatongavana ny filoham-pirenena mivady, Andry Nirina sy Mialy Rajoelina.

Fiaramanidina tsotra, an’ny kaompania mozambikanina no nitondra azy sy ny delegasiona avy namita fitsidiham-paritra tany an-toerana.

Taorian’ny fihaonan’ny Ray Masina tamin’ny vahoaka marobe, nitandahatra niandry azy teny an-dalana dia nisy ny fihaonany manokana tamin’ny filoham-pirenena malagasy teny Iavoloha.

Ho an’ny anio, hihaona amin’ny tomponandraikim-panjakana sy fiarahamonim-pirenena eny Iavoloha izy ny maraina izao. Hanamarika ny anio koa, ny fihaonany manokana amin’ny tanora, rahariva. Hisy ny alim-bavaka iarahana amin’ny tanora maro avy amin’ny lafy valon’ny Nosy.

Mikasika ny fahatongavana, omaly, tsiahivina ihany fa nilamina tanteraka na teo amin’ny lafin’ny fikarakarana, na ny teny anivon’ny mpino katolika izay tonga marobe, nanamorona ny lalana nizoran’ny fiara manokana nitondra azy.