ASPAM : Mivondrona ireo mpilalao sy mpitia fiara madinika

Efa manana fikambanana ankehitriny ny mpankafy sy mpilalao ireny fiara madinika baikoana avy lavitra ireny. Association des Passionnés de Miniatures na ny ASPAM no anarana entin’izy ireo. Ny hetsika natao nandritra ny fialan-tsasatrin’ny Paka no anisan’ny nanamarika ny fiaisany.

Nisy fampirantiana sy fanehoana fahaizana mitondra azy ireny teo amin’ny mpakafy.

Tsy natao ho kilalao fotsiny izy ireny fa azo havadika ho haingo trano ihany koa.