AID EL-FITR : NIAVAKA NY FANKALAZANA NY FARAN’NY RAMADANY TAMIN’ITY TAONA ITY

Soratra :Andry Rakotonirainy
Tamin’ny endrika mirana sy ravo no niarahan’ny mpino silamo rehetra eran’ny Nosy ny famaranana ny iray volana masina Ramadany Aid El-Fitr.
Ny 05 jona 2019 no nanamarihana izany , izay nosantarina tamin’ny fotoam-pivavahana nataon’ny mpino silamo isakin’ny moskey. Natokan’ny fitondram-panjakana  ho andro tsy iasana rahatrizay, omaly, hany ka samy naneho ny fombafomba samihafa nanamarihana ny  fety  izy ireo.
Tsy mijanona ho fiaraha-misakafo ny mpino silamo ny Aïd El-Fitr,  fa nifampiarahabana nahatratratra ny famaranana ny fifadian-kanina nandritra ny iray volana izay.
Nisy tamin’ny mpino no nanao filaharam-be , tao ny nizara sakafo.

Ny fivondronanam-be silamo dia nanatanteraka fotoan-dehibe ho an’ny besinimaro, teny amin’ny kianja mitafon’iy ni Mahamasina. Tonga niatrika izany, ny solontenan’ny fanjakana, ny mpino katolika toa ny mopera Pedro. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo ny fotoana.

Ny fikambanan’ny zanak’Avaratra dia nanantanteraka ny famaranana ny iray volana ny Ramadany, teny 67 ha , vory lanona avokoa ny mpino silamo rehetra , niara-nisakafo , nifampiarahaba fa tratry ity fotoan-dehibe ity.