MAROANTSETRA: MISY ROTAKA, TRANO ROA MAY HATRETO

Mbola mitohy ny savorovoro ao Maroantsetra ankehitriny. Mikomy sy mitaky hanaovana fitsaram-bahoaka ny mponina. Tovolahy namoy ny ainy, izay voalaza fa niharan’ny herisetra tao anatin’ny biraon’ny polisy no niatombohan’ny korontana. Misy ny doro trano, fifanjevoana amin’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana. Misy ny tifitra ka voalaza fa misy ny maratra sy namoy ny ainy.

Ho taterina miandalana eto fivoaran’ny raharaha.