KANDIDA LAHARANA FAHA-13: MANAO VELIRANO AMIN’NY VAHOAKA

Nitohy ny fitetezam-paritra ataon’ny kandida laharana faha-13, androany. Tany Amin’ny faritra SAVA, Atoa Andry Rajoelina mivady. Tamin’izany no mbola nanamafisany ny velirano amin’ny vahoaka malagasy amin’ny mba tokony hanamafisa ny fampandrosoana tena izy.

Anisan’ny nasiany tsindrim-peo manokana ny mikasika ny vidin’ny lavanila. Notsiahiviny tamin’ny lahateny nataony rahateo n’y famotehana ity seha-pihariana ity noho ny nafitsoky ny mpitondra tamin’ny taona 2002-2009, izay ny kandida laharana faha-25, no filoham-pirenena tamin’izany fotoana.

Naveriny nandritra ny fitsidiham-paritra sy fampielezan-kevitra nataony fa vonona amin’ny fandresena izy. Matoky ny mpifidy rahateo izy ka manantena ny hitarika amin’ny isam-bato ambony.