ANDRY RAJOELINA: MAMETRAKA VINA HO AN’NY FAMPANDROSOANA TENA IZY

Nanorakatra ny fampielezan-kevitra tamin’ny vavaka tany amin’ny faritra Bongolava ny kandida faha-13, Andry Rajoelina, androany.

Ankoatra izay, nisy n’y fidinana teny Itaosy sy Tongarivo Ambanidia.

Nandritra ny lahateny nataony, nisaotra sy nankasitraka ireo efa nifidy azy tamin’ny fihodinana voalohany izy, Ary mbola manentana ny mponina amin’ny toerana lalovany mba hametraka ny fitokisana aminy.

Tena fampandrosoana no hatao, higoaka ny voka-tsoa avy amin’izany ny vahoaka Malagasy, hoy izy. Nambarany fa, kandida mandala ny fahalalahana sy ny fanajana ny zo tototra rahateo ny  tenany.

Manentana ny mpifidy hiara-dalana aminy mba hisian’ny mazava eto amin’ny firenena izy, amin’ny alalan’ny fanomezana azy ny vato amin’ny 19 Novambra ho avy izao.