KIANJABEN’I MAHAMASINA: HANOMBOKA NY ALATSINAINY IZAO NY ASA FANAMBOARANA

Raikitra fa hanomboka ny alatsinainy izao ny asa fanamboarana ny kianjaben’i Mahamasina. Nisy ny resaka nifanaovan’ny komity mpanatanteraka ny tetikasa tamin’ny mpanao gazety, omaly. Nivoitra tamin’izay, fa hizara roa ny asa fanamboarana ny kianja. Haharitra 18 volana ny asa, any amin’ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena ny volana jona 2021 no tombanana ho vita tanteraka. Misy anefa ny asa maika, izay enjehina mialoha ny 26 jona 2020. Ireo eny amin’ny  » tribunes » no tsy maintsy hatao voalohany, ny ambiny kosa hotanterahana araka ny tetiandro fototra. Hahazaka mpijery 40000 ny kianja vaovao. Marihina fa hiova « Kianja Barea » ny anaran’ny kianja monisipalin’i Mahamasina, manomboka izao.

Tsiahivina fa anisan’ny fepetra takian’ny federasiona iraisam-pirenena momba ny baolina kitra ny tsy maintsy hananan’i Madagasikara manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Miandry an’i Madagasikara rahateo ny sazy, tsy fahafahana manjary anjara na mampiantrano lalao iraisam-pirenena, raha toa tsy mahafeno fepetra ny kianja.