FAMPIELEZAN-KEVITRA: SAMY EFA MAMARAMPARANA NY KANDIDA TSIRAIRAY

Efatra Andro sisa dia higadona ny andro mana-tantara ho an’ny malagasy, hifidy izay ho filoham-pirenena handimby an’i Hery Rajaonarimampianina. Nisafidy nanao ny faradoboka avokoa ny ankabeazan’ny kandida.

Nangorom-potsy teny Mahamasina, naneho ny firaiketany amin’Atoa Marc Ravalomanana ny mpomba azy, izay efa niandry hatramin’ny taona 2009.

Niravaka volom-boasary, ny teny Antsonjombe, rodobe ny an’ny mpanaradia an’Atoa Andry Rajoelina.

Somary nangingina ny teny Ambohijatovo, niaraka tamin’Atoa Orlando Robimanana.

Nidina teny Analakely kosa Ramatoa Éliane Bezaza, nanazava ny vinany tamin’ny vahoaka.

Ankoatra azy ireo, samy nanatanteraka ny azy mangingina teto andrenivohitra sy ny faritra ny kandida sasany

Tsiahivina, rahampitso no hanatanteraka ny hetsika faradoboka ny antokon’ny fitondrana, miaraka amin’i Hery Rajaonarimampianina.

Efa manomboka mizara ny kara-pifidiana ny eny anivon’ny fokontany. Betsaka no tsy nahazo, maro koa ny mpifidy efa maty no mbola nomena.

Efa eto Madagasikara ny mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ny fianakaviana iraisam-pirenena, hanampy ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena malagasy.

Ny mpifidy izay, Mafana fo sy sasa-miandry ny androm-pifidianana.