FIZAFAFI: MAMPISEHO NY FIRAISANKINANY NY TERAKY NY FARITANIN’I FIANARANTSOA

Nifampiarahaba tratry ny taona, omaly, teny Ambohimanambola, ny Fikambanan’ny teraky ny faritanin’i Fianarantsoa na ny FIZAFAFI.

Nitarika ny fotoana ny zokiolona sady minisitra teo aloha, Razanamahasoa Christine. Nandritra ny lahateny izay nataony, nilaza ny tsy maintsy hivondronan’ny zanaky ny faritra izy. Nasongadiny ihany koa fa faritany manana ny mahaiza azy i Fianarantsoa sy ireo faritra dimy misy ai aminy.

Nivoitra koa ny filazany fa manankarena olo-manga ny faritany, izay anisan’ny nampandany ny Filohan’ny Repoblika, Andry Nirina Rajoelina.

Manamafy hatrany ny fahavononany hiara-miasa amin’ny fitondram-panjakana misy ankehitriny izy ireo ankehitriny.

Anisan’ny Zanak’i Fianarantsoa avy any Atsimo Antsinanana, nandray anjara tamin’ny fiaraha-mientan’ny faritany koa i Mamijo , Filohan’ny  » Groupe Mamijo miaraka amin’izay Andry Rajoelina » na ny GMMAR, tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety teny Ambohimanambola, niarahaba ny Filohan’ny Repoblika Andry Nirina Rajoelina izy. « Vonona ny hiasa ho an’ny tanindrazana izahay. Vonona hatrany koa hiaro sy hanamafy ny fanjakana Mijoro. Hiady sy efa manana paikady izahay hanatrarana ny tanjon’ny Filoha, amin’ny fanatanterahana ny Vina IEM sy ny Politina Ankapoben’ny Fanjakana izahay« , hoy izy nitondra ny heviny.

Tonga nanome voninahitra ny fotoana, omaly, ny Minisitry ny Fiarovana, ny jeneraly Rakotonirina Léon Richard.