AMBONIN’AMPAHAMARINANA: TRANO EFATRA NIHOTSAKA OLONA ROA MATY

Nitranga loza indray teny Ambonin’Ampahamarinana , izao maraina izao. Trano efatra nihotsaka, olona roa namoy ny ainy hatreto. Nisy olona valo hafa naratra, nentina namonjy hopitaly.

Efa eny an-toerana ny mpamonjy voina sy ny zandarimariam-pirenena mikaroka izay mety mbola tototry ny tany.

Tsiahivina, efa nisy ny filazana nataon’ny tompon’andraikitry ny kaominina Antananarivo Renivohitra, nampilaza ny mponina fa faritra mena, tokony hiala amin’ny trano aloha ny mponina satria ambony ny herijika hisian’ny loza.

Manoloana ity voina ity, mila ny fandraisana andraikitra avy amin’ny fitondram-panjakana ny fanesorana ny mponina eny an-toerana.

Mbola anatin’ny fotoam-pahavaratra tanteraka i Madagasikara, ankehitriny, Ka ilana fitandremana.

(Sary Nindramina tamin’ny Facebook)