KIANJAN’NY 13 MAI : MIREFODREFOTRA NY GRENADY MANDATSA-DRANOMASO

Sary nindramina: FB Rivou Andrianarijaona

Mirefodrefotra  ankehitriny ny grenady mandatsa-dranomaso eny Analakely. Nanomboka tamin’ny 11 ora antoandro izany mandraka izao.

Noravan’ny mpitandro filaminana ny hetsika izay saika nataon’ny mpomba ny kandida Ravalomanana. Ireto farany, izay mitsipaka sahady ny voka-pifidianana navoakan’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI.

Nisy ny andian’olona nandrava ny fefin’ny Lapan’ny tanàna, teo ireo nandoro kodiarana, misy ny mametraka barazy.