CAN 2019: VOTSOTRA TEO AN-TANAN’I CAMEROUN NY FANDRAISANA NY LALAO

(Sary nindramina Internet /Tahirintsary AFP)

Tapaka taorian’ny fivoriambe tsy ara-potoana nataon’ny federasiona Afrikanina momba ny baolina kitra, omaly, tany Accra Ghana fa nalana amin’ny firenena kamerone ny fandraisana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika 2019.

Tsy mahafeno ny fepetra momba ny ny fotodrafitrasa sy ny fitandroana ny filaminana i Cameroun. Nisy ny fitsirihana ifotony nataon’ny teknisianina tany an-toerana indroa miantoana ny volana oktobra sy Novambra lasa teo ka tsy nahafapo ny fivoaran’ny asa.

Manome iray volana izay firenena vonona ny handray izany ry zareo eo anivon’ny federasiona Afrikanina momba ny baolina kitra. Ny firenena marokanina sy ny atsy Afrika Atsimo no voalaza fa mety handray izany.

Efa nisy, tsiahivina ny fihaonan’Atoa Ahmad, Filoha n’y federasiona Afrikanina momba ny baolina kitra sy ny filoham-pirenena kamerone, Paul Biya mialoha izao fanapahan-kevitra izao.