GAEFY: MANATANTERAKA NY HETSIKA « SAKAFO NY FIDERANA » ANIO

Andry Rakotonirainy

Ho fanamarihana ny 01 Novembra, hanatanteraka fampisehoana iray lehibe ny GAEFY, eo anivon’ny FPVM Moria Itaosy, anio. Hisy ny fampisehona an-kira,  ara-pilazatsara  hiarahana amin’ny Pasitera Jocelyn Ranjarison, ny tarika NY AVO, ary ny TDL, ao amin’ny kianja fanampiny, eny Mahamasina.

Haharitra ora efatra ny fampisehoana  » SAKAFO NY FIDERANA », hivoizana ny hira ankehitriny sy ny noforonina nandritra ny 15 taona nijoroan’ny  GAEFY.

Marihiana fa andiany faharoa ity hetsika «  SAKAFO NY FIDERANA » ity.