KANDIDA FANIRISOA ERNAIVO: NAATON’NY MINISITERA TSY HO MPITSARA

Vao maraina androany, niparitaka tamin’ny haino aman-jery sy ny tambajotran-tserasera ny fampiatoana an-dramatoa Fanirisoa Ernaivo, tsy ho isan’ny mpitsara intsony eto Madagasikara. Mbola vonjimaika ihany anefa ity fanapahan-kevitry ny minisiteran’ny fitsarana ity. Manana enim-bolana ny mpikambana  amin’ny filan-kevitra ambonin’ny fitsarana hanaovana fanadihadiana sy handraisana fanapahan-kevitra.

Na izany aza, mbola mijanona ho kandida ho filoham-pirenena ihany izy. Tsiahiviny fa teny tsy voahevitra, mitory fankahalana tamin’ny mpitantana filaminana no hanamelohina azy.

Efa  nisy ny fialana tsiny ampahibemaso nataony, omaly, taorian’ny fanankianana sy fanomezan-tsiny azy, izay norarakompana.

Handrasana ny ho fiafaran’ny raharaha.