ANDRY RAJOELINA: HANATRIKA NY FIHANIANAN’NY FILOHAN’I SÉNÉGAL

Nigadona omaly, tao amin’ny seram-piaramanidina Dakar, ny delegasiona Malagasy notarihin’ny Filoha Rajoelina Andry.

Voaasa handray anjara amin’ny daty roa lehibe any Dakar, renivohitra Senegal ny filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina. Hanatrika ny fianianan’ny filoha voafidy Macky Sall, ny tenany rahampitso. Aorian’izay, hanome voninahitra ny fankalazana ny fetim-pirenenan’i Sénegal izy ny faha-4 aprily ho avy izao.

Tonga nitsena ny filoha Andry Rajoelina teny amin’ny seranam-piaramanidina, Leopold Sédar Senghor, ny filoha Macky Sall. Nandray azy teny an-toerana tamin-kafaliana be ihany koa, ireo solon-tenan’ny malagasy monina any an-toerana.