FAMBOLEN-KAZO: NIFANOME TANANA TENY TSARASAOTRA NY KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA SY NY FILOHAM-PIRENENA

Nosokafana androany tamin’ny fomba ofisialy ny fambolen-kazo ho an’Antananarivo Renivohitra. teny amin’ny faritra Tsarasaotra, manamorona ny lalam-baovao, mihazo an’Ivato. Zakaranda miisa 1400 no ho volena eny an-toerana.

Tonga nitarika ny fotoana ny ben’ny tanàn’Antananarivo, Andriantsitohiana mivady, notronin’ny mpiasan’ny kaominina sy ny Samva, 1000 mianadahy.

Nanotrona ny fotoana ihany koa, ny Filoham-pirenena mivady, Rajoelina sy Mialy Rajoelina. Nandritra ny lahateny nataony no mbola nanamafisan’ny Filoha fa 40000 ha ny tany ho volena hazo amin’ity taona ity. Miantso ny fiaraha-mientan’ny olom-pirenena rehetra, indrindra ny isan-tokantrano izy mba samy hitondra ny anjara birikiny amin’izany.

Marihina fa hambolena zakaranda avokoa ny manamorona ny lalam-baovao avy aty an-drenivohitra, mihazo ny seranam-piaramanidina Ivato.